Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ny iraka tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia ny hitory amin'izao tontolo izao ny filazantsara izay saro-takarina izay nampianarin'i Jesosy Kristy - ny vaovao mahafaly ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy - ary hanomana olona ho amin'izany Fanjakana izany. Ity hafatra ity dia tsy vitan'ny hoe: 1) manome fanantenana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra fotsiny ihany, 2) fa manoro ny tanjon'ny fisiantsika olombelona - ny antony ahatongavantsika eto an-tany, 3) ary mampahafantatra antsika koa ny ho avin'izao tontolo izao.

Fitarihan-kevitra: The United Church of God (na Eglise Unie de Dieu)

Jesosy avy any Nazareta dia nitondra hafatra manokana - "ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra." Io no lohahevitra fototra, ivon'ny zavatra rehetra notoriany sy nampianariny. Ao anatin'ny tontolon'ny fisafotofotoana ara-pivavahana, ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manambara izany hafatra izany koa.

Torio ny Filazantsara

Manaraka ny dian'i Jesosy Kristy sy ny ohatra nomeny, dia raisintsika ho zava-dehibe ny baikony hampianatra, hanao batisa izay mino ary hampianatra azy ireo hitandrina izay rehetra nandidiany. Mampiasa fitaovana maro ny Fiangonana hanampiana amin'ny fanatanterahana an'io asa tena ilain'ny rehetra io.

Ny fikasan'Andriamanitra lehibe amin'ny zanak'olombelona rehetra

Ny fanontaniana lehibe ao an-tsain'ny olona dia ny hoe "Inona no tanjon'ny fiainana?" Azonao fantarina ao amin'ny Toriteny Fianarana Soratra Masina ny antsipirihany momba izany.

Inona ny tena Filazantsara?

Inona no hafatr'i Jesosy Kristy? Nitory ny "Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra" Izy (Matio 4:23; Matio 9:35; Marka 1: 14-15).

Inona no dikan'ny anaran'ny "Fiangonan'Andriamanitra Miray"?

Ny United Church of God dia Fikambanana Iraisam-pirenena, ary ny anarana dia midika fa isika dia miray hina amin'ny fanolorantena hanaraka am-pahatokiana ny fomba fiainana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia mitandrina ny didiny sy ny lalàn'Andriamanitra izany; ary miray hina koa hanatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonan'Andriamanitra izay nambaran'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ao amin'ny Soratra Masina.

Manomana vahoaka

Ny Fiangonana dia tokony hampianatra sy hikarakara ireo izay antsoin'ny Ray, hanomana azy ireo amin'ny asa fanompoana lehibe kokoa ho an'Andriamanitra, ny fianakaviany, ny fiarahamonin'izy ireo ary ny mpiara-belona aminy. Izany no tanjon'ireo programa sy hetsika maro ataonay. Manomana olona ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Apokalypsy 20:6).


Ny Fetin'ny Tabernakely

Zava-dehibe isantaona ho an'ny mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray ny Fetin'ny Tabernakely ara-Baiboly. Anisan'ireo fety masina nambaran'Andriamanitra tamin'ny Isiraely fahizay, ity andro firavoravoana ity dia maharitra fito andro ary avy eo dia arahin'ny fety farany dia ny "andro fahavalo" (Levitikosy 23:34, Levitikosy 23:36, Levitikosy 23:39). Ity vanim-potoana valo andro ity dia mijanona ho fotoana hiarahan'ny vahoakan'Andriamanitra hanarahany fampianarana sy fanavaozana ara-panahy.

Manaraka ny dian'ireo apôstôly

Fa maninona no tsy mitovy amin'ny fiangonana maro hafa ny finoana sy fomba fanao ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray? Ny fanontaniana tsara hapetraka angamba dia ny antony tsy itovizan'ny zavatra inoan'ny fiangonana maro amin'ny Baiboly. Mila mahafantatra ny tantara mahavariana ianao!

Ny andraikitry ny mpanompon'Andriamanitra

Nasongadin'ny Baiboly hatrany fa ny mpanompon'Andriamanitra dia tokony ho mpitantana hendry ny harena omeny. Araka izany, ny United Church of God, Fikambanana Iraisampirenena, dia nametraka rafitra fanamarinana sy mizana mba hialana amin'ny fanararaotana na tsy fitoviana ara-bola.

Inona no ninoan'ny Fiangonana voalohany sy nampihariny?

Ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly dia mirakitra ny fitantaran'ny nanatri-maso ny Fiangonana tany am-boalohany nanomboka tamin'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ka hatramin'ny 60 A.K.

Ny lalàn'Andriamanitra sy ny fanekena vaovao

Betsaka no mihevitra fa noho i Jesosy Kristy nametraka ny Fanekempihavanana Vaovao dia nofoanana ny lalàn'Andriamanitra. Miantehitra amin'io resaka io izy ireo mba tsy hiraharaha ny didin'i Jehovah. Fa inona nefa no lazain'i Jesosy tenany?

Manantena tontolo iray feno fiadanana

Ny fanirian'Andriamanitra dia ny hiainan'ny olombelona tsirairay avy araka ny sitrapony ary amin'ny farany dia ny hahazoany ny fanomezana ny famonjena mba ho lasa mpikambana ao amin'ny fianakaviany sy ny Fanjakany. Io fahitana io no mandrisika ny mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray handray andraikitra miaraka amin'i Jesosy Kristy.

Fanazavana fanampiny: Hitanao ao amin’ny Toriteny Fianarana Soratra Masina - Fiangonan’Andriamanitra Miray, UCG Madagascar.