Mpikambana vaovao

Tanjona

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe “Fiangonana” dia tsy manambara ilay trano fiangonana, na ny mpitarika na ilay olona namorona ny fikambanana, fa milaza kosa fikambanan'olona maromaro.
Ny Fiangonana dia ny vahoaka—fikambanan'ny mpino. Isika no fiangonana, vonona hianatra sy hanatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra. 
Tsy mitovy avokoa ny isan'ny mpikambana ao amin'ny fiangonana iray, mety ho ampolony ny mivavaka ao, mety ho an'arivony koa aza. Samy hafa fihaviana ny mpivavaka ao, nefa manana fomba fijery sy tanjona iray. Samy manana ny tanjony ny fiangonana tsirairay; fa ny an'ny " Fiangonan'Andriamanitra Miray " dia ny:

  • mitory ny Filazantsaran'i Kristy, sy ny
  • manomana olona ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra.
Ny fianarana Soratra Masina sy ny fanompoana an' Andriamanitra isan-tSabata ataontsika eto amin'ny Fiangonan' Andriamanitra Miray dia mifototra amin'izay voalazan'ny Baiboly, ary mifototra avy hatrany amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fampianarana rehetra. 

Na kely na lehibe ny fiangonana misy anao ao amin'ny faritra misy anao, dia misy mpitandrina sy mpanompon' Andriamanitra vonona hikarakara sy handray tsara anao ao, hampianatra anao ny Soratra Masina ary hanome toro-hevitra mahasoa anao mba hahafahantsika miara-mitombo amin'ny fahalalana ny Soratra Masina.



Iza ilay Jehovah Andriamanitra inoan'ny Fiangonan' Andriamanitra Miray? 

  • Jehovah Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy dia mivavaka amin'ny Fanahy sy Fahamarinana

  • Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy

    Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka

    Mahafantatra ny miafina nefa tsy fantarina

  • Izy Ilay tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay

  • Velona mandrakizay ary naniraka ny Zanany Lahitokana hitady sy hamonjy ny very

     Jehovah no Andriamanitra Tsitoha sady Fitiavana izay miantso sy mifidy anao ho mpikambana ao amin'ny fianakavian' Andriamanitra mandrakizay.


Iza ilay Jesosy Kristy inoan'ny Fiangonan' Andriamanitra Miray?

  • Mpita-marika teo anilan'ny Ray Izy tamin'ny nanorenana izao tontolo izao

  • Izy no endrik' Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao

  • Ilay Tenin' Andriamanitra tonga nofo, ka nahariana izao rehetra izao, ary niara-nonina tamintsika ho modelin'ny fitondrantena araka ny sitrapon'Andriamanitra

  • Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy.
  • Voalefona Izy noho ny fahadisoantsika.
  • Nitondra ny aretintsika tokoa Izy ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
  • Ny fahafatesan'i Jesosy no nividianana ny fahotantsika.
  • Maty tamin'ny antsasaky ny herinandro Izy, nilevina telo andro sy telo alina tao an-kibon'ny tany, nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo, ary niakatra ho any an-danitra.
  • Ny fitsanganany no antoka hahazoan'izay mino Azy ny fiainana mandrakizay.
  • Mipetraka eo ankavanan' Andriamanitra Ray Tsitoha, ary Mpisoronabe any amin'ilay Tabernakely any an-danitra. 

Tonga Izy mba hanambara ny Ray. Ny fahalalana an'i Jesosy no hanamarinany ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo.

 

Fanahy Masina

Rehefa mifandray amin'Andriamanitra ny olony, dia mandray ny Fanahy Masina, ary izany no tombokase hamantarany ny olony.
Jehovah Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy dia mivavaka amin'ny Fanahy sy Fahamarinana
  
 

Mianatra Soratra Masina ary mino ny Tenin' Andriamanitra rehetra

Mino izahay fa ny Teny rehetra voalazan'ny Baiboly dia hafatra feno avy amin'i Jehovah Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Ny Soratra Masina rehetra—izany hoe ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao—dia manan-danja lehibe avokoa (2 Timoty 3:16), ary velona ny Tenin' Andriamanitra sady manan-kery sy fahefana ho an'ny Kristiana rehetra izany.


Toerana misy ny Fiangonana

Misy anjatony maro ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eran'izao tontolo izao ary mitandrina ny andro Sabata (mivavaka Sabotsy). Tadiavo ny Fiangonana akaiky anao ary manatona ny mpitandrina miandraikitra ao.
Mitadiava fiangonana akaiky anao